«Rano Maharitra» sy «Dio Sera»: mitentina 45 tapitrisa dolara ny famatsiana rano

Natomboka omaly ny tetikasa vaovao miisa roa, tohanan’ny governemanta amerikanina, “Rano Maharitra” sy “Dio Sera” izay mitentina 45 tapitrisa dolara. Hanova fahazoana rano madio sy fanadiovana manerana an’i Mada­ga­si­kara amin’ny alalan’ny USAID ny tetikasa.
Ireo tokantrano ambanivohitra no tena kendrena hisitraka rano madio. Hitondra anjara biriky amin’ny vokatra ara-pahasalamana maharitra koa ny tetikasa eo anivon’ny faritra fito dia i Vatovavy, Fitovinany, Sofia, Betsiboka, Anosy, An­droy ary Atsimo Atsinanana.
Hitondra fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny andrimpanjakana sy ny fandrindrana isan’ambaratonga ny tetikasa. Eo koa ny fahazoana loharanom-bola bebe kokoa hanohanana ny sehatry ny rano…, ny fampitomboana ny vokatra sy ny tolotra momba ny rano mba hamaliana ireo filana…
Olona maherin’ny 742 000 no hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana ezaka fanadiovana, ka ny 312 000 no mahazo rano fisotro.
Mikendry ny hampitombo hatrany ny fidiran’ny tokantrano amin’ny vokatra sy tolotra manara-penitra sy mora amin’ny lafin’ny fanadiovana eny an-tanàn-dehibe kosa ny tetikasa “Dio Sera” izay mitentina 10 tapitrisa dolara.
Hanatsarana ny paikady momba ny fanadiovana an-tanàn-dehibe, hamaha ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola ho an’ny sehatry ny rano… Hiasa amin’ny tanàn-dehibe 3 dia i Mahajanga sy Toamasina ary Fianarantsoa ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: