Fototry ny fihariana ao Mandritsara ny omby. Manan-danja eo amin’ny kolontsaina ihany koa. Manandratra ireo no tanjona voalohany amin’ny « Festival Sabotsibe ».
Anisan’ny tsena goavana indrindra eto Madagasikara ny « Sabotsibe » ao Mandritsara. Tsenan’omby lehibe faharoa, aorian’ Ambalavao izy io. Araka ny anarany, tontosaina isaky ny sabotsy, indroa ao anatin’ny volana, izany hoe, isaky ny tapa-bolana izany. Avy amin’ireo tsena Sabotsibe io no nakana ny anaran’ny hetsika « Festival Sabotsibe ». Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 jona izao, andiany faharoa amin’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity.
« Misy soatoavina efa mipetraka ela manodidina ny omby ao amin’ny faritra Sofia. Faritra faharoa mamokatra omby ny any. Mamatsy ny ampahany amin’Analanjirofo sy Alaotra Mangoro, ankoatra ny ao Sofia ny tsenan’omby ao Mandritsara. Omby an’arivony maro mba tsy hitenenako hoe an’aliny isaky ny andro tsena no mandalo ao. Manana karazan’omby goavana ny any. Ny omby koa dia tsy misaraka amin’ny kolontsaina, na an-kafaliana na an-karatsiana. Iankinan’ny fiainan’ny mponina manontolo, araka izany. Ho fiarovana, fandrisihana ny mpiompy, fampivoarana ny seha-pihariana, fanatsarana ny fiarahamonina fa indrindra fanandratana ny kolontsaina ao amin’ny faritra no tena hikarakaranay ny hetsika », hoy ny nambaran-dRabenaivo Laffont, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Mama Events, izay mpikarakara ny hetsika “Festival Sabotsibe”. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, izay natao tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, omaly, amin’ny maha mpanohana ofisialy ity orinasa ity.
Mazava loatra fa hifantoka be ihany koa amin’ny fampisehoana hamoriana vahoaka ny hetsika. Ankoatra ny carnaval ny tapany maraina, hanokatra ny andiam-pampisehoana ao amin’ny Kianja monisipalin’i Mandritsara ry Lico Kininike, Anicette ary Salva Panga ny zoma 14 jona. Hanafana ny andro faharoa, izay sady andron’ny tsena Sabotsibe ihany koa, i Din Rotsaka, Kimil ary Les Robert. Hamarana ny hetsika mandritra ny seho fahatelo kosa i Jean Rigo, Rootsman ary i Sisca, ny alahady. Hanampy azy ireo ny mpanakanto zanak’i Mandritsara sy ny faritra Sofia, izay vao an-dalana mankany amin’ny laza.
Zo ny Aina