Matetika indroa mididy vao tena sitrana tanteraka ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. 21 andro eo ho eo no mijanona eny amin’ny hopitaly izy ireo sy ny mpanaraka azy.
22 ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava hiatrika fandidiana maimaimpoana eto Antananarivo, ao amin’ny hopitaly misahana ny reny sy ny zaza, Sainte Fleur, nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana ny 7 jona ho avy izao. Nanano sarotra ny fitadiavana azy ireo satria sady mipetraka lavitra no mbola tsy nodidiana mihitsy hatramin’izay ka matahotra. Iray volana eo ho eo no lanin’ny mpisehatra sosialy avy amin’ny Opération Fistula mitady sy mandresy lahatra azy ireo hodidiana hanamboarana ny lalan-jaza rovitra, hoy ny tomponandraikitry ny fandidiana ny aretina mamany lava, Ramialiarison Sitraka. Iray amin’ireo nodidiana i Frangie 22 taona avy any Ambohitsimeloka, kaominina Morarano Gara, distrikan’i Moramanga. Ny alatsinainy lasa teo no anjarany ary efa miandry ny fahasitranan’ny fery sy ny fanaraha-mason’ny mpitsabo izy amin’izao fotoana izao. Ny volana desambra 2023 izy no nitondra vohoka ny zanany faharoa, saro-piterahana ka voatery nodidiana maika. Tsy azo ilay zaza, izy kosa lasa nitondra takaitra tratry ny aretina mamany lava. Nisafo hatrany anefa izy nandritra ny vohoka ary narahan’ny mpampivelona.
17 taona izy no niteraka ny zanany voalohany. Tsy nisy olana ny fiterahana. Filazana tamin’ny onjam-peo no nahalalany fa misy fandidiana ny vehivavy tratran’io aretina io. Adiny efatra avy eo Morarano Gara ny vohitra misy azy ireo ary tsy mbola naheno tovovavy na vehivavy tratran’ny aretina toa azy i Frangie amin’ny fianakaviana na mpiray monina manodidina azy.
Miara-misalahy manatanteraka ny fandidiana faobe andiany voalohany, ho an’ity taona ity, ny UNFPA sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Opération Fistula ary ny hopitaly Sainte fleur. Manohana ara-bola ny UNFPA, miantoka fanafody sy ny kojakojam-pitsaboana kosa ny minisitera. Faritra telo, Alaotra Mangoro, Boeny ary Vatovavy Fitovinany no toerana ahitana tranga betsaka.
Vonjy