Famaranana “LDC 2024”: 15 tapitrisa Ariary ny vidin’ny tapakila iray

Tonga ny fotoana nandrasan’ny mpankafy baolina kitra. Anio alina ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Cham­pions (LDC) 2024”. Araka ny fikarohana natao, omaly, mahatratra 3 000 euros na 15 tapitrisa Ariary mahery ny vidin’ny tapakila fidirana ambany indrindra amin’ity lalao famaranana ity. Mitentina 35 000 euros na 150 tapitrisa Ariary mahery kosa ny sandan’ny tapakila ambony, VIP. Maha­tratra 55 000 euros na 550 tapitrisa Ariary mihoatra kosa ny an’ireo te hanjifa ny tapakila hiarahana amin’ny olona tena manan-kaja sy malaza VVIP.
Raha tsiahivina, fito taona aty aoriana, hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre. Lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa. Mbola manala vela ny ekipa Alemà.
Boribory nefa ny baolina ka tsy mbola misy afaka hitompo teny fantatra ho mpandresy. Samy manana mpilalao kalaza rahateo ny roa tonta. Hiezaka haka ny amboara ho azy ry Vinicius sy ny ekipany. Tsy hanaiky lembenana koa anefa ry Sabitzer ampian’i Haller sy i Sancho.
Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real Madrid indroa, 3 no ho 1 sy 3 no ho 2, ny Dortmund. Tsara ny mampahafantatra fa in-13 nifanandrina ny roa tonta. Indimy nanao sahala ary intelo nandresy ry zareo Alemà raha toa ka inenina nahazo fandresena ny Espaniola.

Fitia Randria

Partager sur: