Ligue des Champions 2024: Tompondaka ny Real Madrid

Nafana tanteraka ny lalao famaranan’ny “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra, afakomaly. Mbola manjaka hatrany ny Real Madrid. Azon’izy ireo indray ny amboara rehefa nandresy an’ny Dortmund.

Norombahin’ny Real Madrid indray ny amboara tamin’ ny “Ligue des Champions 2024”, ny sabotsy lasa teo, tany Wembley Angleterre. Lavon’izy ireo teo amin’ny famara­nana, 2 no ho 0, ny klioba alemà, Dortmund FC. Marihina fa ity no amboara LDC faha-15 azon’ny Real Madrid hatra­min’izay niforonany.
Raha fintinina ny fihaonan’ny roa tonta, ny Dortmund no nifehy ny lalao, saingy tao amin’ireo mpilalaon’ny Real Madrid ny vintana. Baolina tafiditr’i Carvajal, ny minitra faha-74 sy i Vinicus, ny minitra faha-83 no nahazoan’ity ekipa espaniola ity ny fandresena.
Tsy mbola afa-bela, araka izany, ny mpilalaon’i Alle­magne. Tamin’ny taona 2017, lavon’ny Real,
3 no ho 2 izy ireo. Tsara ny mampahatsiahy fa ity no famaranana faha­telo natrehin’ny Dor­tmund, taorian’ny taona 2013, izay nandavoan’ny Bayern azy ireo tao Wembley ihany, sy ny 1997, nahazoan’ ity klioba ity ny LDC voalohany indrindra.
Ny Real Madrid sy ny Atalanta Ber­game Italie, tompondakan’ny “Europa League”, araka izany, no miady ny amboaran’ny “Super Coupe d’Europe”, ny 14 aogositra ho avy io, any Varsovie.
– Roa minitra nanombohan’ny lalao, naaton’ ny mpitsara ny fihaonana noho ny fisian’ireo mpi­jery tafiditra anaty kianja.
– Teo amin’ny faha-23 minitra, fizaram-potoana voalohany, saika nahatafiditra baolina i Full­krug, lohalaharana alemà saingy nidona tamin’ ny tsatoby havanana izany.
– Nisongadina tanteraka i Courtois, maro ireo baolina navotany. Anisan’izany ny dakan’i Adeyemi sy i Sabitzer, irakiraka Dortmund.
– Tsara marihina fa iny no lalao voalohany nataon’i Courtois, tamin’ity “LDC 2024” ity.
– Nanao veloma tanteraka ireo mpijerin’ny Real Madrid i Toni Kroos, ny sabotsy lasa teo. Handeha hisotro ronona amin’izay izy.
– Nahatratra 100 tapitrisa ireo olona nana­raka ny lalao omaly, maneran-tany. Tafiditra anatin’izany ireo mpankafy kitra eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: