Sombim-baovao

Lavo teo amin’ny lalao famaranana amin’ny fidirana ho mpitantara baolina kitra ao amin’ny Canal+, ilay Malagasy, Rakoto Arnaud, ny zoma alina teo. Resin’i Alek­sandre Araujo ny tenany. Tsiahivina fa i Christophe Jallet no niaraka nitantara baolina taminy nandritra ny lalao izay nihaonan’ny Paris Saint Germain sy ny Newcastle FC.

Araka ny fikarohana natao omaly, horaisina ao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu, ny heri­nandro ho avy io, ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, Kylian Mbappé. Tsiahivina fa hifindra ao amin’ny klioban’ny Real Madrid izy rehefa tsy nanohy ny fifana­rahana tamin’ny Paris Saint Germain, klioba frantsay, intsony.

Hiditra amin’ny fihodinana fahefatra ny fifaninanana « Roland-Garros », taranja tenisy, anio. Hia­katra kianja i Novak Djokovic, hihaona amin’i Cerun­dolo. Ankoa­tra izay, anisan’ny fihaonana tena andra­san’ny maro ny fifanandrinan’i Tsitsipas sy i Alcaraz, mandritra ny ampahefa-dalan’ny fifaninanana, hatao rahampitso.

Partager sur: