Rugby – «XXL Top 12»: nomontsanin’ny Tam Anosibe ny 3FB

Nitohy omaly, tetsy amin’ ny kianja Makis Andohata­penaka, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Nomontsanin’ny Tam Anosibe, tamin’ny isa mazava 34 no ho 18, ny 3FB ekipan’ny minisiteran’ny Faha­salamana.
Nanjaka tokana ny Tam ary toy ny nanaovan’izy ireo fanazaran-tena fotsiny aza ireo mpifanandrina taminy. Porofon’izany, vao nanom­boka 1 mn ny lalao, nahatonga baolina nentin-tanana i Sitraka saingy tsy voatsaran’i Vanelo, izany ka 5 no ho 0 ihany. Nie­zaka nanohitra ny 3FB, nahitana an’i Rija sy Zobe niampy an-dRacom, saingy tsy nirindra ny fanafihana fa rava ha­trany rehefa midona amin-dry Betsen sy ry Maholy izany. Taorian’izay, mbola nahatsara “hors jeu” iray sy nahazo “essai” iray indray ny Tam ka nitarika 15 no ho 0. Taorian’ izay vao nahafaty “hors jeu” iray ny 3FB. Nanao izay ho afany i Zo nandrindra ny lalao saingy very hatrany ny baolina. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 15 no ho 3 io. Fiza­ram-potoana faharoa, vao nanomboka 2 mn, nanampy isa indray ny Tam tamin’ny alalan’ny “essai” voatsara ka nitarika 22 no ho 3. Tsy nahafaty afa-tsy “hors jeu” iray kosa ny 3FB. Mbola nahazo “essai” roa indray ny Tam ka ny iray ihany no voatsara, lasa 34 no ho 6 ny isa. Tany amin’ny 5 mn tsy hiravana vao nanindry ny 3FB ka nahatonga baolina nentin-tanana roa ka ny iray ihany no voatsara, 34 no ho 18 ny isa, naneno ny “gong” nandrava ny fihaonana.
Teo amin’ny vokatra hafa, resin’ny Cosfa tamin’ny isa 26 no ho 7 ny Cheminots ary 34 no ho 31 no nandresen’ny USA Ankadifotsy ny Mang’Arts.

Tompondaka

Partager sur: