INDRAY MIJERY

Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no mamaritra ny toetry ny andro anio sy rahampitso. Hahazo vahana miandalana ny tsiokan’ny varatraza manomboka ny alarobia. Tombanana hisy alondrano avy any atsimo hipaka any amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy, anio sy rahampitso, eo ane­lanelan’Itampolo sy Vohipeno ka hahery ny ranomasina.
Isan-taona, mikaraka ny « Doctoriales » ny Direction de la recherche doctorale (DRD) eo anivon’ny fitantanana ny oniversiten’Antananarivo sy ny Projet d’appui institutionnel de l’ARES Belgique. Fotoana ahazoan’ny mpianatra manomana doctorat maneho ny vokatry ny asam-pikarohana sady mampifandray ny fikarohana sy ny sehatry ny asa ny hetsika. 10 taona ny doctoriales amin’ity taona ity ary hisy fanamarihana hatao any Toliara.
Zava-dehibe ny fanamafisana tsy ankiato ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nisitraka fampiofanana manokana mahakasika ny tontolon’ny niomerika ireo mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny famatsiana ara-pahasalamana.

Partager sur: