Manodidina ny 7 litatra isan’olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono raha toa fa tafakatra avo sivy heny izany any ivelany. Mbola ambany ihany koa ny famokarana izany eto amintsika
Anisan’ireo firenana 49 mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono i Madagasikara. Nisy ny hetsika nanamarihana izany, ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Parvis Analakely. Mbola ambany ny taham-pamokarana ronono eto Madagasikara, ambany ihany koa ny taha fanjifana sy fihinana ny vokatra. Manodidina ny 7 litatra isan’ olona, isan-taona, ny taham-pisotroan’ny Malagasy ny ronono, raha toa ka 40 litatra isan-taona izany atsy Afrika. Tafakatra hatrany amin’ny 60 litatra isan’olona, isan-taona, kosa izany any Eoropa. Zava-dehibe, araka izany, ny fampiroboroboana ny seha-pihariana ronono izay tafiditra ao anatin’ny dingana hanatrarana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy. Antony hanampianan’ny fitondram-panjakana ireo tantsaha mpamokatra
sy mpiompy amin’ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ny lalam-pihariana ronono. Indrindra hanampiana azy ireo amin’ny fanodinana ny vokatra azo avy amin’ny ronono tsara kalitao sy manaraka ny fenitra takina.
Antoky ny fampandrosoana
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’ny tantsaha ny fanatsarana ny seha-pihariana. « Mila hampiroboroboina ny famokarana ronono eto amintsika hanenana ny fanafarana avy any ivelany », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Malagasy Dairy Board (MDB), Rakotondramonina Solofoniaina, nandritra ny fankalazana ny hetsika. Notohizany fa loharanom-bola ho an’ny tantsaha ny ronono sady sakafo ara-pahasalamana ho an’ny rehetra. Dingana lehibe ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny ronono ny fikarakarana ny reny omby, ny fahasalamany sy ny sakafony, ny fandrindrana ny fahaterahany, hatramin’ny fanatsarana ny taranak’omby. Hanatsara hatrany ny vokatra ronono ny MDB (mpikarakara ny hetsika) ho tombontsoan’ny mpamokatra sy ny mpanjifa.
Henintsoa Hani
.