Fampiasana ny teknolojia : nandray anjara tamin’ny “Gitex Afrika 2024” isika

Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy mian­kina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana rehetra. Voakasik’izany ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena, ny ara-pahasalamana, ny fitantanana ho tombontsoan’ireo mpandraharaha izay tohanan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ireo tetikasa apetrany ho laharam-pahamehana. Ao anatin’izay ny fomba hahatongavan’ny sehatra tsy miankina ho mpifaninana eo amin’ny fampandrosoana. Nisy ny fihaonana teo anivon’ny foibem-paritra momba ny fampiasam-bola ao Marrakech, ny talata teo, izay nifampizarana ireo fahaiza-manao ao anatin’izany faritra izany, ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fampirisihana ny fampiasam-bola.

Henintsoa H.

Partager sur: