Tra-tehaka nanao fampidiran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Nahatrarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa tany amin’ny Jirama ny sarany (devis). Natao teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly, Pac, ny fanadihadiana. Taorian’ ny niakarana teny amin’ny fampanoavana, nidoboka am-ponja ireo mpiasa an-tselika roa, raha nahazo fahafahana vonjimaika ny efatra.
Mamono antoka
Manamafy ny tale jeneralin’ ny Jirama, Ron Weis, fa vaindohan-draharaha hanarenana ny orinasa ny fanadiovana ny ao anatiny, ny ady amin’ny halatra sy ny kolikoly. Ankoatra izany, efa maro ireo olon-tsotra na orinasa mangalatra ny jiro na rano tratra ary mbola mitohy hatrany ny hetsik’ity orinasa ity amin’ny fanenjehana azy ireny. Eo koa ny mpiasa mangalatra ny fitaovana, indrindra ny solika izay efa nisy koa ny sarona.
Njaka A.