TARATRY ny KANTO

Hamoaka boky « Kolontsaina sy Riba malagasy » Rabenandrasana Lalao François. Ankoatra ny maha mpanoratra azy, manome lanja lehibe ny fikarohana sy ny fandalinana momba ny kolontsaina ma­lagasy i Nandrasana. Omena lanja amin’ny sanganasany ihany koa ny zaza sy ny ankizy hany ka boky maro ho fitaizana azy ireny no efa navoakany.

« Dancing Retro et Nostalgie » hotanterahina ao amin’ny Cafétaria CCEsca Antanimena, ny 22 jona izao. Hiavaka izy ity, satria, hanomboka amin’ny 10 ora maraina ka tsy ho tapitra raha tsy amin’ny 6 ora hariva. Ireo hira na feon-kira nalaza tany alohan’ny taona 1980 no handihizana amin’izany. Hisongadina ny « danse de salon » toy ny rock, cha cha cha, tango, passo double, valse, twist, madison, jerk, charleston, boléro, sega , disco ….

Famadihana, manomboka ny ririnina. Fomba aman-panao iray tsy foin’ny Malagasy ny fanaovana azy io. Misokatra manomboka amin’ity volana jona ity hatramin’ny faran’ny volana oktobra ny fanaovana azy io eto amin’ny Nosy. Fotoana natao hamonosan-damba sy hangatahan’ny velona fitahiana amin’ireo razambe.

« Festival des initiatives vertes ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny AFT Andavamamba, ny hetsika fampirantiana. Nahitana mpandray anjara manodidina ny 70 isa. Nampaha­fantaran’ireo mpisehatra mpanao asa tanana mitsinjo ny tontolo iainana ny vokatra vokarin’izy ireo.

Partager sur: