Sokajy telo no hifaninanana amin’ity taona ity. Entanina ireo mpanoratra, na efa fanta-daza na tsia, mba handray anjara amin’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora” 2024.
“Ady amin’ny fanolanana eto Madagasikara”. “Fandrindrana fiainam-pianakaviana”. Ireo ny lohahevitra iompanan’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora”, amin’ity taona ity. Nivoaka omaly ny andinindinin’ny fifaninanana, raha toa ka efa nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo, nandritra ny lanonana fanokafana ny “Iray volan’ny teny Malagasy”, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely izany.
Sokajy telo no nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera hifaninanana amin’ity: amboaran-tononkalo, tantara foronina ary tantara an’onjampeo. Misokatra ho an’ireo mpanoratra rehetra, na efa fanta-daza na sambany vao hanoratra ny fifaninanana. Mahazo mandray anjara avokoa rehefa teratany malagasy, mihoatra ny 15 taona, na monina eto na any ampitan-dranomasina. Mila milaza ny mombamomba azy mazava tsara sy ara-dalàna kosa ny mpifaninana, ampiarahina amin’ny fanaovan-tsonia ny fanekena ny fepetra mifehy ny fifaninanana, izay alaina ao amin’ny pejy Facebook ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
Araka ny fepetra napetraky ny minisitera ihany, ny teny malagasy ofisialy no andrafetana ny asa soratra. Ampirisihina kosa ny fampiasana fitenim-paritra ao anatiny. Tsy maintsy sanganasa vaovao, tsy mbola natolotra hifaninanana, tsy nivoaka boky ary tsy mbola nandeha tamin’ny onjampeo no alefa hifaninana. Fadiana kosa ny mametraka marika manokana famantarana ny mpanoratra.
Lelavola 1 tapitrisa Ariary no ho azon’ny voalohany ho an’ny sokajy tantara an’onjampeo. Fanontana boky miisa 500 avy kosa ho an’ny sokajy tantara foronina sy ny amboaran-tononkalo. Hotolorana mari-pankasitrahana avokoa ny mpandresy. Hisy vondron’ny mpitsara manokana kosa hatsangana, izay ahitana solontena avy amin’ny minisitera, akademisianina, mpampianatra mpikaroka ary matihanina
amin’ny sokajy voakasika. Manana hatramin’ ny 1 janoary 2025 ireo izay maniry ny hifaninana, handefasany ny sanganasany.
Zo ny Aina