Barikadimy – Mention gestion: nanao diabe miakanjo fotsy ireo mpianatra

Diabe am-pilaminana miakanjo fotsy, tao anatin’ny faritry ny oniversiten’i Toamasina Barikamidy, omaly, ny hetsika nataon’ny mpianatra ao amin’ ny Mention gestion. Mbola hitohy rahampitso ny fitakiana ka ho raikitra ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana, hoy ny fanambarana.
Nanome fe-potoana 72 ora hamahana ny olan’ny naoty ireo mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana fitantanana, araka ny nambaran’ny mpianatra “Master 1 sy Master 2″. Nangataka izy ireo ny ha­nesorana amin’ny toerany ny “chef de Mention gestion”  ary nanao antso amin’ny filohan’ny oniversite handray fepetra avy hatrany.
Ny alakamisy lasa teo, ni­trangana fikasihan-tanana nataon’ity “chef de Men­tion” ity ny mpianatra tao amin’ny biraony. Vokany, tsy na­naiky ireto farany raha tsy nakatona ary tsy misy afaka miditra ao amin’io birao io. Nambaran’ny mpianatra fa olona tsy azo ifampiresahana ity tomponandraikitra ity. Olan’ ny naoty no fototry ny korontana, satria mpianatra tsy miatrika fanadinana no afaka rehefa nivoaka ny petadrindrina. “Nitaky fampitahana taratasim-panadinana izahay nefa tsy sahy nanao izany ilay tomponandraikitra”, hoy ny mpianatra. Nilaza kosa ny filohan’ny oniversiten’i Toama­sina, ny dokotera Razanako­lona Diny, fa efa eo am-pandinihana ny fepetra horaisina mom­ba io mpampianatra io ny fi­lankevitra misahana ny fampianarana ambony ao Toa­masina.

Sajo

Partager sur: