Festival du Cinéma africain de Tarifa et Tanger : lasan’i Luck Razanajaona ny « Prix Acerca »

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Luck Razanajaona, miaraka amin’ny horonantsary « Disco Afrika ». Nahazo amboara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena izy, tamin’ny « Stiff Seattle film festival », tao Tunisie.

Nifarana, ny faran’ny he­rinandro teo, ny «Festi­val du Cinéma africain de Tarifa et Tanger» (FCTA), natao tao Maroc sy Espagne. Nahazo ny amboara «Prix Acerca» i Luck Raza­na­jaona, Malagasy mpanatontosa ho­ronantsary, niaraka tamin’ilay horonantsariny « Disco Afri­ka : Une histoire malgache ». Ankoatra izay, nahazo ny « Prix de la meilleure interprétation masculine du FCAT 2024 » ihany koa i Parista Sambo, izay nitana ny anjara toeran’i Kwane, mpilalao fototry ny «Disco Afrika». Marihina fa miisa 12 ny horonantsary nifaninana tao amin’ny sokajy nisy azy, ary nivoahany ho voalohany.
Ny fisaintsainany momba ny fahafahana ho an’ny fampandrosoana maharitra an’i Afrika, izay midika ho fahafahana manokana ho an’ny olona tsirairay, ary ho an’ny firenena tsirairay no anisan’ny naharesy lahatra ny mpitsara hanome ny amboara ho an’ny horonantsarin’i Luck Raza­najaona. Mam­piseho sy mitantara ny zava-misy eto Madagasikara sy iainan’ny Malagasy ny « Disco Afrika ». Kwane, tovolahy 20 taona no mpilalao fototry ny tantara. Niharan’ny kolikoly izy rehefa niverina tany amin’ny tanàna niaviny, raha avy niasa tamina toeram-pitrandrahana safira. Teo no nipetraka taminy ny safidy maro samihafa. Vola sa fihavanana sa fikomiana politika. Ankoatra izay, naharesy lahatra ny mpitsara ihany koa ny fahaizan’ny mpanatontosa maneho ny foto-kevitry ny horonantsary ao anatin’ny kanto.

Lin

Partager sur: