Tononkira mahitsy fitoraka: mitondra ny hafatry ny fiarahamonina ny Groupe CB

Tarika anisan’ny manana ny tanjony eo amin’ny fanatontosana ny kanto ny Groupe CB. Ankoatra ny fahafinaretan’ ny sofina sy ny maso, omen-dry zareo lanja ny filazana ny zava-misy…

Randrianarison Mamison Elysé, fantatry ny mpitia zavakanto any Fiana­rantsoa amin’ny solonanarana hoe : « CB ». Izy no mitarika ny Groupe CB. Miavaka amin’ny tononkira mahitsy toraka tsy mihambahamba amin’ny filazana ny tsy rariny, ny tsy marina sy ireo endrika fanambakana maro mety hahazo eny amin’ny fiarahamonina. Sahy mijoro amin’ny fahamarinana sy maneho izany any anatin’ny mozika ataony i CB. Tsan­ga­nasa voalohany nojarian-dRan­drianarison Mamison Ely­sé, ohatra, ny hira « Inona ny vaovao ? ». Noforoniny, noho ny zava-nisy sy nitranga tamin’ireo mpivarotra tao Fiana­ran­tsoa. Tsapany ho nipaka tany amin’ireo naheno azy ity hira ity ka nanapa-kevitra ny hanohy hatrany ny fikirakirana ny mozika, i CB. Ankoatra ireo, mampahafantatra hatrany ny lanjan’ny fihavanana sy ny firaisankina ny Groupe CB. Raha ny fanazavany, efa toetra voajanahary aminy rahateo ny mampihavana.
Manaraka ny zava-misy
Nisy fotoana nampalaza ny fisian’ilay biby masiaka teny amin’ny fiarahamonina. Saika, nahenoina izany feo izany avokoa nanerana an’i Mada­ga­sikara. Anisan’izany ny tao Fianarantsoa. Ankehitriny, na­voakan’ny Groupe CB ny hira mitondra ny lohateny « Biby ». Anisan’ny gadonkira lalaovin’ity tarika ity ny tropikaly, afro, sns. Amin’ny ankapobeny, afaka mitety gadona maro ry zareo.
Nambaran’i Mamison Ely­sé fa : « vonona hatrany ny hitondra ny hafatry ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny mo­zika ny Groupe CB. Misokatra ho an’ireo te hiaraka hiasa aminay izahay ho fampiroboboana ny mozika ». Nandritra ny fotoana nampamaivay ny aretina « covid » ny taona 2021 no nahazoany ny solonanarana « CB » (cache bouche). « Azo ambara ho nitondra fanambinana, nitarika ho any amin’ny fahombiazana ho ahy io solonanarana io », hoy Randria­narison Mamison Ely­sé.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: