Nanatanteraka hetsika teny amin’ny CEG Ambohidratrimo ny orinasa Orange. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany
Nampahafantarina teny an-toerana ny fisian’ny sehatra iray nataon’ny vondrona Orange ahazoan’ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo hisafidy asa iray, hitondra fanovana (Engage to change) ho an’ny fiarahamonina. Niompana tamin’ny fanentanana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny antony ary ny zavatra azon’ny mpianatra sy ny fiarahamonina atao amin’ny toerana misy azy ny fifampizarana. Ankizy 50 mianatra ao amin’ny CEG Ambohidratrimo no nisitraka izany. “Sekoly 20 manerana ny Nosy no hitondrana ny fanentanana hatramin’ny 14 jona ho avy izao”, hoy ny tomponandraikitry ny RSE ao amin’ny Orange, Rakotonomenjanahary Lalasoa.
Taorian’ny fanentanana isam-bondrona, namoaka an-tsary ny fahazoany ny lohahevitra ny mpianatra. Vondrona iray isaky ny CEG 20 no hivoaka mpandresy. Hisy ny fifaninanana nasionaly ho an’ny sary 20 misongadina. Sekoly niomerika efa miara-miasa amin’ny Orange avokoa ireo hanatanterahina ity fanentanana ity.
“Efa-taona no efa nampiharana ny fanentanana amin’ ny tontolo iainana ny mpianatra rehetra ao amin’ny CEG Ambohidratrimo, izay iray amin’ny taranja ao anatin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona hianarana any an-dakilasy”, hoy ny talen’ny CEG Ranivoarison Rija. Tetikasan’ny fanjakana izy io. Iray amin’ny sekoly hanaovana andrany ny CEG Ambohidratrimo mandritra ny efatra taona. Isan-taona misy hetsika iarahan’ny sekoly sy ny Orange ary ny sehatra hafa mikirakira ny tontolo iainana amin’ny fambolen-kazo.
Hitohy eny amin’ny CEG Amboanjobe, Anosiavaratra ary Avaradoha ny fanentanana sy ny fifaninanana sary, amin’ny herinandro ambony. Miara-misalahy izany ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny Orange hatrany.
Vonjy A.




