Iray amin’ireo firenena manana kolontsaina sy zavakanto mahaliana izao tontolo izao i Madagasikara. Tsy ampy trandraka anefa izy ireny. Mila mikaroka paikady hoenti-manampy ny fivelaran’ny kolontsaina ny isan-tsehatra !
Any amin’ireo firenena ivelan’i Madagasikara, miraradraraka ny karazam-pifaninanana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Anisan’izany ny soratra, ny sarimihetsika, ny hosodoko, ny dihy, ny fitendrena zavamaneno, sns. Tsy olon-tokana na fikambanana iray no mikarakara ny fifaninanana fa saika ny isan-tsehatra (sekoly, toeram-piasana, fikambanana, rafi-pitondrana isan’ambaratongany…) mihitsy. Omena valisoa lehibe izay hita fa mendrika.
Tsy mba tahaka izany ny eto Madagasikara. Zara raha misy fifaninanana tokana ao anatin’ny taona iray, ny zavakanto iray. Ambonin’izay, mbola ambilombazana ny valisoa azon’ireo mpifaninana mendrika. Valisoa tsy manokatra lalana fa mijanona hatreo amin’ny fanomezana laza amam-boninahitra fotsiny ihany. Raha tiana ny hahita sy hiaina fivelarana amin’ny kolontsaina, ilaina hamaroina ny fifaninanana mifandraika amin’izany. iray amin’ireny ny zavakanto.
Miteraka fahalainana ho an’ny rehetra
Mbola mety ho olana saro-bahana eo amin’ny tontolon’ny fifaninanana tahaka io, anefa, ny tanjaky ny fanaovana risoriso eto Madagasikara. Tsy ny mahay no mendrika fa ny mahavita «tsingolobatita». Miteraka fahalainana ho an’ny rehetra te hifaninana sy haneho ny zava-bitany io tranga io. Koboniny ho azy irery ny talentany hany ka lavitry ny fivelarana.
Ankoatra ny ezaka hoenti-manamaro ny fifaninanana zavakanto, mbola ilaina ihany koa ny fiovana fomba fisainana. Ity farany aza no tokony hialoha lalana. Hanaraka ho azy ny sisa. Mila mifanampy ny mpisehatra amin’ny kolontsaina mba ahafahana manatanteraka fifaninanana. Raha tsy izany, ho sarotra ny hahita fivelarana!
HaRy Razafindrakoto




