TARATRY ny KANTO

Hivahiny ao amin’ny “Sabotsy mifankahita” ny tarika Telofangady. Fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra RTA izy ity, izay hanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany. Anjaran-dry Haja sy ny tariny indray ny mizara ny kantony sy ny mombamomba azy ny sabotsy izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina.

Hitohy ny “Aza bad aleo m’boss”. Atrikasa ho an’ny gitara beso, izay karakarain’ny Basista Gasy, na ny fikambanan’ireo mpitendry gitara beso izy ity. Tsy nisy elaela, noho ny nahalasanan’i Mikakely izay nitarika sy tompon-kevitra. Haverina kosa ny 15 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Tranomanga Ampasanimalo. Hitarika ny atrikasa sy hizara ny traikefany mandritra izany i Silo.

Sarimihetsika fohy miisa 39 no voafantina amin’ny “Madagascourt Film Festival” andiany faha-19. Miisa 117 ireo nisafidianan’ny komity mpitsara, ka ireo voafantina no hifaninanana mandritra ny hetsika ny 5 hatramin’ny 12 jolay ho avy izao. Hisy mpanatontosa sarimihetsika maherin’ny 40 avy amina firenena 26 no ho avy eto Madagasikara amin’io fotoana io, ankoatra ireo mpanatontosa eto an-toerana.

Hihazo an’ i Fianarantsoa ny “Revy gitara”. Ao amin’ny Nick’s Food Antarandolo ny fotoana hihaonana amin-dry mbola Talenta, Hoby Saka, Rafita ary i Rijakely, ny zoma 5 jolay izao, manomboka amin’ny
8 ora alina. Malalaka be ny fandaharan-kira, izay tsy maintsy handalo ny Zandry Gasy sy ny Vetsonkira, ankoatra ireo hira azo ifidianana rehefa vazo an-gitara toa izao.

Partager sur: