Haroso ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay football league 2024). Ekipa efatra no hiady lohany amin’izany.
Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM) fa tsy maintsy haroso ny fanatanterahana ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay football league (PFL 2024)”. Tapaka fa hatao ny 13 sy 16 jona ho avy izao ny lalao mandroso noho ny fahateren’ny fotoana.
Hisantatra izany ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny 3FB Toliara. Lalao hatao etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium. Raha tsiahivina, nandresy ireo ekipa tany amin’ny kaonferansy avaratra ireo ekipa roa ireo. Ny Elgeco, nanilika ny Fosa Jr Boeny ary ny 3FB nandavo ny ASA Diana.
Ny ankatoky ny famaranana faharoa indray, hatao ao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa. Fihaonana hikatrohan’ny Zanakala FC sy ny Disciples FC. Raha tsy misy ny fiovana, herinandro aorian’io no hanaovana ny lalao miverina. Raha ireo fandaharan-dalao ireo, afaka mamonjy ny ekipany i Tendry sy i Berajo ho an’ny Disciples ary i Nina, an’ny Elgeco Plus.
Izy telo mirahalahy ireo, izay manatevin-daharana ny Barea de Madagascar miatrika ny lalao hifanandrinana amin’ny Coelacanthes Comores, rahampitso sy amin’ny Voromaherin’i Mali, ny talata 11 jona 2024.
Nohamafisin’ny filohan’ny CFEM fa tsy maintsy vita mialohan’ny 30 jona ity fifaninanam-pirenena ity, hivoahan’ny anaran’ny ekipa hisolo tena an’i Madagasikara, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Anjaran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny mandefa izany anarana izany any amin’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).
Tompondaka




