Notanterahina tatsy Maurice, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny taranja lomano fanao amin’ny andro ririnina. Nandray anjara tamin’izany ny Malagasy, tamin’ny alalan-dRabejaona Holy Antsa. Nisongadina ny zava-bitany satria nandrombaka medaly volamena telo, tamin’ireo fihaonana natrehiny izy. Anisan’izany ny teo amin’ny 100 m lomano tsotra, tontosany tao anatin’ny fe-potoana, 1mn 01s 28. Fe-potoana tsara vitany ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity.
Teo koa ny 50 m mitsilany, vitany tao anatin’ny 31s 27. Ampahan-tsegondra 22 amin’ny zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara, tontosan’i Elodie (31s 05) ary ny 50 m lomano tsotra, 27s 29. Tsiahivina fa atleta miofana any Kazan any Rosia, i Holy Antsa, amin’izao fotoana izao.
22 taona izy ankehitriny ary efa betsaka ny anaram-boninahitra azony, nandritra ny fotoana nilomanosany. Tompondakan’i Madagasikara tamin’ny lomano ho an’olon-tokana miisa 5, ny taona 2023. Nahazo medaly alimo 4, nandritra ny lalaon’ny Nosy farany natao teto Madagasikara.
Tompondaka




