Hitohy etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonanana hotanterahina ny alahady ho avy izao. Hifandona eo amin’ny D1, ny FTFA Antohomadinika sy ny 3FB. Hanokatra ny fihaonana ny an’ny D2, hifanandrinan’ny SCB Besarety 2 sy ny FTVL Lalamaty.
Tsy mbola resy ny ekipan’ny COSPN eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A, lehilahy. Fihaonana tanterahina any Toamasina. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo. Nandresy ny ASCUT sy ny Cosfa, avy eo nanilika ny SBBC Boeny izy ireo.
35 ny isan’ireo mpanamory handray ny fiaingana amin’ny “Rallye Motul”, karakarain’ny klioba FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena hatao ny zoma 7 ka hatramin’ny alahady 9 jona ho avy izao. Anisan’ireo hiatrika izany ary hiady izay ho lohany ry Mathieu (Zaza maditra) sy i Olivier ary i Mika.
Nandresy tsy niady, omaly, ary tafita amin’ny manasa-dalana, ilay norvezianina, i Casper Ruud, teo amin’ny fiadiana ny amboarann’ny “Roland Garros”, taranja tenisy. Fihaonana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka niatrika izany mantsy ilay serba, i Djokovic, tokony hifandona taminy teo amin’ny ampahefa-dalana, noho ny ratra nahazo azy.




