Taekwondo : hisy ny fanadinana hiakarana ambaratonga

Mikarakara hetsika voalohany ny Federasiona malagasin’ny taekwondo. Hotanterahina ny alahady izao izany.

Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona ma­lagasin’ny taekwondo (FMTKD), omaly, hisy ny fanadinana hiakarana ambaratonga federaly sy ny kukkiwon, ny alahady ho avy izao, eny amin’ ny CFFAMA Nanisana. He­tsika voalohany karakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona, Fanome­zan­tsoa Dimbiheriniaina Pharlin, (3ème Dan kukkiwon sy 4ème Dan federaly).
Raha ny fanazavana voaray tamin’ny DTN, hisy ny fampiofanana ireo mpikatroka manana ny fehikibo manga “6ème Keup” mialoha ny fanadinana fampiakarana ambaratonga. Hatao manomboka anio hatramin’ny rahampitso izany, eny Nanisana ihany. Ny tale ny fampiofanana eo anivon’ny FMTKD, Ramanantsoa Narinja, (3ème Dan kukkiwon sy 4 ème Dan federaly) ary i Lee Jeong Moo, 7ème Dan kukkiwon no mitarika izany eny an-toerana. Klioba miisa 15 eto amin’ny ligin’Anala­manga no nahazo fanasana hanatrika izany. Ankoatra ny eto Antananarivo, hivelatra ho any amin’ny faritra ihany koa ny hetsika.
Raha ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny FMTKD, hanomboka ny 12-14 jolay ho avy izao, ny faritr’i Fianaran­tsoa, ny 28-30 aogositra ny any Toamasina ary ny 13-15 oktobra, ny any Mahajanga. Tsara marihina fa anisan’ny fanamby apetraky ny filohan’ ny Federasiona vaovao, Rako­tomanana Franck Tiana, ny fanomezana sehatra ho an’ny faritra sy ny fikarakarana fiofanana maro.

F.R

Partager sur: