« Semaine de la BD »: nitondra ny traikefany i Pascal Boniface

Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Anta­nanarivo (AFT) Andava­mamba, ny velakevitra niarahana ta­min’i Pascal Boniface, mpanoratra sy manam-pahaizana manokana momba ny haipolitika ara-toetany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika « Semaine de la Bande dessinée » izy ity. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny fanaovana tantara an-tsary, natao ho an’ny rehetra, niarahana ta­min’i R-Aly, Malagasy mpanao tantara an-tsary.
Tanjona amin’ny hetsika ny fampivelarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny tan­tara an-tsary malagasy. Izany indrindra no nisafidianana ireo hetsika mandrafitra ity “Semaine de la BD” ity mba hisarihana ireo olona ivelany sy hanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manaon’ireo efa ao anatiny. Anisan’izany ity he­tsika niarahana tamin’i Pascal Boniface ity. Noresahina tao anatin’izany ny firesahana sy fanehoan’ny tantara an-tsary ny haipolitika ara-toetany. Tamin’ny alalan’ny boky “Geo­strategix” no namakafakana izany, nitarafana ny hodidina eo amin’ny haipolitika ara-toetany ankehitriny.

Lin

Partager sur: