Mora voarebireby: miandry fahagagana ny Malagasy

Vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana, nanjary miaina sy manankina ny fiainany amina kisendrasedra ny Malagasy. Tsy nijanona hatreo fa mitohy hatrany amin’ny fiandrasana ny asan’ny fahagagana. Tsy kolontsaina malagasy io. Naha­fantatra sy nanaja fatratra an-Janahary, ohatra, izy fa tsy nian­tehitra tamin’ny fahagagana tefen’olombelona.
Io tsy fahampian’ny fahalalana io no mila harenina haingana raha te hiala amina fiandran­drana fahagagana. Faha­nan’ny hafa lainga sy loto, satria, tsy mahalala akory ny fadiny. Bose­sehan’ny sasany fitaka sy soloky, satria, tsy mahafantatra ny momba azy… Mila mampitombo fahalalana ny Malagasy.
… Raha mbola ny vahiny, anefa, no misahana sy mandray andraikitra lehibe amin’ny fampananana fahalalana ny Malagasy, tsy hahita fivoarana ho any amin’ny tsara velively ny Malagasy sy i Madagasi­kara. « Tsy maintsy » izay hiarovany sy hampitomboany ny tombon­tsoany no hataony. « Tsy main­tsy » hampidi-kizo ny Mala­gasy hiandrandra fahagagana tsy tapaka no imasoany!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: