Nisitraka fanohanana avy amin’ny orinasa Airtel Madagasikara ny EPP Tanakidy, Manakara. Nohatsaraina ny tranon-tsekoly, nahazo dabilio sy fitaovam-pianarana ny mpianatra.
Manohana ny lafiny fanabeazana ihany koa ny orinasa Airtel Madagasikara, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy. Miisa 250 ny dabilio natolotry ny tale jeneraly, i Anne Catherine Tchokonte, ho an’ny EPP Tanakidy Manakara, ny 24 mey 2024 teo. Nambarany, fa efa nisy ny fiaraha-miasany tamin’ity sekoly ity tany aloha, ary mbola mitohy hatramin’izao. Asa masina ny fanohanana ny fanabeazana, satria, tanjona ny hanomezana kalitao tsara ny mpianatra. Tsy fitaovana fotsiny ny dabilio fa manome tontolo tsara ho an’ny mpampiasa azy ihany koa, indrindra ny mpianatra. Mba ho afaka mifantoka amin’ny fampianarana, ahafahany mivoatra izy ireo.
Notsipihiny fa ilaina mihitsy ny fampiasam-bola ho an’ny fanatsarana ny fotodrafitrasan-tsekoly sy manome fanabeazana tsara kalitao, mba hisitraka ny zony mitovy amin’ny rehetra ny ankizy, mba hahomby. Mifanandrify amin’ny filamatry ny Airtel Madaagsikara, ny nofinofin’ny ankizy izao tohana izao. Ao anatin’izany ny hoe « ny fahavitrihana, ny firaisankina, ny fifanajana ».
Efitrano sy fitaovana samihafa
Efa maro ny andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) nataon’ity orinasa ity tany aloha. Nizara ordinatera enti-tanana sy fitaovana hifandraisan-davitra (routeur) hampiasana internet, ny taona 2022. An-jatony ny fitaovam-pianarana nozaraina ho an’ny mpianatra, miampy karatra SIM ho an’ny mpampianatra sy ny mpitantana ny sekoly EPP Tanakidy Manakara, hanatsarana ny lafiny serasera sy ny fifandraisan-davitra. Nitohy ny fanohanana ny taona 2023, ka nohavaozina tanteraka ny tranon-tsekoly miisa efatra, nahafahan’ny mpianatra miisa 1 120 mianatra tsara araka ny tokony ho izy amin’izao taom-pianarana izao sy ny ho avy.
Njaka A.