Manana fitaovana roa entina mampianatra ny fananahana ara-pahasalamana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Unicef : KDIS Game sy Ikal’io. Nampahafantarina nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana tany Toliara ireo. Miendrika kilalao ny fampianarana entin’ny KDIS Game, ho an’ny tanora 21 taona no ho mihoatra. Kilalao nefa koa miresaka ny lohahevitra mahakasika ny tanora toy ny fadimbolana, fahamaotiana sy ny fiovan’ny toe-batana, fitiavana. Natao hahasarika azy ireo ny kilalao sady mampisokatra ny adihevitra sy fifanakalozana amin’ny samy tanora. Afaka miara-milalao amin’izy ireo koa ny mpanabe, ny ray aman-dreny sy ny mpanentana ara-pahasalamana.
Novolavolaina ho an’ny ankizy manomboka eo amin’ny 9 taona kosa ny kilalao Ikal’io, mifototra amin’ny fanatsarana ny fahalalana momba ny fadimbolana sy ny fahamaotiana. Napetraka eny anivon’ny fiarahamonina ny kilalao azon’izy ireo hampiasaina miaraka indrindra ho an’ny zatovovavy hiatrika ny fadimbolana.
Vonjy