Hihoatra ny 1,5°C ny fitomboan’ny hafanana eo anelanelan’ny 2024 sy 2028, araka ny vinavina fanairana nivoaka avy amin’ny tatitry ny Fikambanambe maneran-tany misahana ny toetry ny andro. Manasongadina ny tatitra fa mahamaika ny hetsika momba ny toetr’andro.
Manomana sy mitsinjara ireo valopy asiana ireo laza adina ho an’ny taranja tsirairay isaky ny efitranom-panadinana, manerana an’i Madagasikara, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitondra fanatsarana eo amin’ny fomba fiasa ny minisitra mpisolo toerana, toy ny fanatobiana niomerika. Valopy manodidina ny 100 000 eo no kirakiraina mandritra ny fotoam-panomanana.
Eto Madagasikara, vehivavy sivy amin’ny 10 no afaka mampiasa toerana mitokana hisasana sy hanoloana ny salaka rehefa tonga ny fadimbolana. Any ambanivohitra, tsy misy toerana manokana hanaovana izany izy ireo ka sahirana. Vehivavy iray amin’ny 10 kosa no nilaza fa tsy afaka nianatra na niasa mandritra ny fadimbolana.
Hanome vatsim-pianarana, taom-pianarana 2024-2025, ho an’ny mpianatra, vahiny na teratany italiana mipetraka ivelan’Italy, ny fanjakana italianina ka voakasika ny eto Madagasikara. Telo volana ka hatramin’ny sivy volana ny vatsim-pianarana atolotra ho an’ireo voasafidy hahazo izany. Hifarana ny 14 jona ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana.