Sehatra ho an’ny sarimihetsika malagasy ny Novegasy ao amin’ny Canal +. Hiampy ny tolotra ho an’ny fianakaviana amin’ity volana jona ity.
Nokendrena hanana ny anjarany ny tsirairay. Nosafidiana ihany koa ny ora maha ao an-tokantrano ny ankamaroan’ny mpianakavy. Tolotra ho an’ny fianakaviana mantsy ny “Canal + Asaramanitra”. Mitana ny laharana voalohany ao anatin’ny tolotra ireo andian-tantara vaovao, izay sambany no handeha amin’ny Novegasy. Misy maromaro izy ireo, toy
ny “Jinja 3”, “Antso farany”, “Akofa” ary ny “Sarango-pitia 6 sy 7”. Handeha isaky ny sabotsy sy alahady amin’ny
1 ora latsaka fahefany sy amin’ny 7 ora sy sasany hariva ireo. Manaraka an’ireo ny sarimihetsika indray mijery vaovao sy efa manana ny lazany, toy ny “Rakay”, “Vina”, “Bab sy Cortez”, “Afera Madagasikara”, “Tsiafajavona”, “Kodiaran-tsarety”, sns. Hifandimby ao ny mampihetsi-po, ny tantaram-pitiavana, ny tantara mampihomehy, ny mifono zava-miafina, sns.
Tsy sarimihetsika ihany anefa fa handeha isaky ny sabotsy sy alahady amin’ny 7 ora sy fahefany sy amin’ny 6 ora sy sasany hariva ihany koa ireo fandaharana mampihomehy sy mampiala voly. Anisan’ireny ny “Sekosekon’i Mialy”, “Kôprandra nji”, “Mimi & Titi indray”, sns, izay ahitana an-dry Vonjy Razafitsifa, Bob Tobias, Titi sy Mimi, Lorah Gasy, sns.
Satria miresaka asaramanitra ny tolotra, dia hisy “tsikoninkonina” ihany koa ao amin’ ny Novegasy. Ny “Ketrika matsiro” iarahana amin’ireo mpanao lakozia matihanina, hizaran’izy ireo ny fomba fikarakarana arahana torohevitra amin’ny sakafo. “Ny sakafontsika” kosa dia fandaharana manome sehatra ny mpianakavy amin’ny fikarakarana ny sakafo andavanandro.
Farany amin’ny lisitra fa tsy ny kely indrindra anefa, ny fandaharana ho an’ny ankizy amin’ny maha volan’ny ankizy ny volana jona. Hanaraka ny tantaran’i “Garfield” amin’ny teny malagasy izy ireo, isaky ny sabotsy, amin’ny 8 ora sy fahefany maraina.
Marihina fa tsy hifarana raha tsy ny 21 jolay izao ny tolotra “Canal + Asaramanitra”, ao amin’ny Novegasy.
Zo ny Aina