Manomboka amin’ity taona ity, zaza herintaona ka hatramin’ny 5 taona tsy nisitraka vaksiny mihitsy no ezahina hatao. Miisa 1 224 738 izy ireo, anatin’ny distrika 56. Hanomboka ny 17 ka hatramin’ny 21 jona izao ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ireo zaza sy ankizy voalaza ireo.
Ny 2 ka hatramin’ny 12 jolay, hisy indray ny hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny aretina lefakozatra. Hitohy amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro izany ny 3 ka hatramin’ny 7 septambra. Arakaraka ny hanaovana vaksiny matetika no manamafy ny hery fiarovana. Malefaka kokoa ny aretina tafiditra amin’ny zaza vita vaksiny.
Tsindrona avokoa ny karazana vaksiny atao amin’ny zaza sy ny ankizy, ankoatra ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra (VPO) sy ny miaro amin’ny aretim-pivalanana na ny Rota.
Ankoatra ny ezaka mahazatra eny amin’ny tobim-pahasalamana amin’ny fanaovam-baksiny, hisy ihany koa hetsika 5 andro isam-bolana hanaovana vaksiny ny zaza. Manodidina ny 2 831 ny CSB hanatanterahina izany. Nandritra ny hetsika fanaovam-baksiny, ny volana janoary teo, ankizy 122 500 no nisitraka izany.
Tatiana A