Tetikasa Miarova: 141 tapitrisa dolara hanamafisana ny fanaovam-baksiny

“Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka amin’ny Banky iraisam-pire­nena ny tetikasa Miarova na Miaro Antsika Rehetra amin’ny Covid-19 ny Vaksiny”, hoy ny talen’ny fandaharanasa momba ny vaksiny, i Tsivahiny Paubert, tany Morondava. Tanjona ny hisitrahan’ny rehetra vaksiny sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mi­tentina 141 tapitrisa dolara ny famatsiana ny tetikasa izay notanterahina tao anatin’ny telo taona ( 2021-2024).
Nahafahana nanamafy ny ezaka fanaovam-baksiny ny tetikasa “Miarova”. Nampi­tombo ny traikefan’ireo mpiantsehatra eny ifotony, namatsy efitra fitehirizam-baksiny… Teo koa ny famatsiana vata fampangatsiahana miisa 540 amin’ireo CSB tsy mbola nanana izany. Nividianana moto sy fiara tsy mataho-dalana hanaparitahana ny vaksiny. Ankoatra ireo ny fanatsarana ny serasera fanentanana amin’ny fanaovam-baksiny.
Ankoatra ny fanapariahana ny vaksiny miaro amin’ny covid-19, natambatra ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ireo vaksiny rehetra fanao na amin’ny ankizy sy zaza na amin’ny reny bevohoka na amin’ny olona marefo mila izany.
“Ny fanaovana vaksiny irery ihany no hany hahafahana miaro amin’ny karazana areti-mifindra sy mifehy izany”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fandaharanasa momba ny vaksiny. Maimaimpoana avokoa ny vaksiny eto Madaga­sikara izay hita eny amin’ny CSB. Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, manomboka eto, ny hijery manokana ireo zaza sy ankizy tsy mbola nisitraka vaksiny mihitsy. Hanaovana ezaka manokana izy ireo ary tsy maintsy vitaina ny vaksiny feno.
Tanjona ny haharakotra vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny CSB. Tsy ampiasana solika intsony izy ity. Misy fotoana tsy misy ny solika, rehefa misy fahatapahan-jiro dia potika ny vaksiny…

Tatiana A

Partager sur: