Mitazona ny laharana voalohany ao amin’ny “Vondrona I” ny Barean’i Madagasikara. Resiny tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipam-pirenena kaomorianina, omaly, tany Johannesburg.
Mitohy ny fahombiazana! Nahazo isa telo fanampiny indray ny ekipam-pirenena Barea, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nandresy an’i Comores tamin’ny isa 2 no ho 1 i Madagasikara. Laharana voalohany ao amin’ny vondrona “I” araka izany ny Barea. Tafiditra tamin’ny andro fahatelo, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika.
Ilay Malagasy mpilalao, Rayan Raveloson, no nahatafiditra ny baolina voalohany ho an’ny Barea, 56 segondra nanombohan’ny lalao. Ny minitra faha-18, nosoloin’i Tendry, Malagasy mpilalao, i Hakim Abdallah, lohalaharan’ ny Barea noho ny ratra nahazo azy. Saika nahatafiditra baolina i Selemani, kaomorianina, roa minitra tsy hidirana any amin’ny fialan-tsasatra (43 min). 1 no ho 0 ny isa nisarahana nandritra ny fizaram-potoana voalohany, mitarika i Madagasikara.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nanova paikady i Stefano Cusin, mpanazatran’i Comores. Nesorina ry Youssouf sy Rafidine, nampidirina i Mahmoud sy i Bourhane. Nahita daka tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Maolida, lohalaharana Comores, telo minitra nanombohan’ny fe-potoana faharoa (48 min).
Nampian’i Rayan Raveloson indray ny isa ho an’ny Malagasy (65 min), rehefa navotsotr’i Boina, mpiandry haraton’i Comores, ny baolina nodakajn’i Tendry. Segaondra vitsy tsy hifaranan’ny fihaonana, nampihena ny elanelan’isa i El – Fardou, Comores. Nifarana teo amin’ny isa 2 no ho 1 ny fifanandrinan’ny roa tonta, nandresy ny Barea de Madagascar.
Tsara marihina fa izay voalohany isam-bondrona amin’ity dia manao Mondial avy hatrany. Ny faharoa tsara indrindra kosa, hanao lalao sakana.
Hifanandrina amin’i Mali
Rehefa avy nifanandrina tamin’ny nosy rahavavy Comores ny ekipa nasionaly malagasy, ny Aigle de Mali, indray no hihaona amin’i Madagasikara, ny talata ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo ihany. Araka ny fikarohana natao, tsy mbola nifandona mihitsy i Mali sy i Madagasikara. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’i Ghana, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny malianina, mpampiantrano ity fihaonana ity, ny alakamisy lasa teo.
Fitia Randria