Tsy tan-dalàna

 

Hosoka, hala-bato… Izany no ifandroritana eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Mandeha avokoa amin’izany ny karazana fanoherana, fikomiana, tsindry… Fanaratsiana sy fampitahorana ary fanakorontanana fotsiny izao aza ny an’ny sasany. Ho tonga hatraiza? Misy tsy mahay mijery na tsy mahita afa-tsy lafiratsin-javatra: manahy tena fa tsy manantena amin’ny voka-pifidianana depiote? Eny, na misy aza tsy nanana kandidà narotsaka na notohanana, na tsy tonga nandatsa-bato… Nefa avo vava toy inona. Ao aza ny efa manao ho ambentin-dresaka sahady ny hoe krizy na korontana politika aorian’ny fifidianana. Mba marina?
Hirahirain’ny sasany amin’izany, ohatra, ny hoe be ny tsy ara-dalàna tamin’iny fifidianana iny. Dia mitompo teny fantatra ho hany manana sy mahalala ny marina eo, manaratsy ny hafa, manilika andraikitra, miandry kendry tohina… Misy porofo mazava ve izay lazaina? Na mandeha araka ny fomba sy ny lalàna ny fanendrikendrehana, fanenjehana… Mila porofo mazava izany ary araka ny lalàna, fa tsy foromporonina am-pitoerana, na anaovana valifaty politika, na fanakorontanana…
Zava-doza eto amin’ny tany sy ny fanjakana, raha ny tsy fanarahan-dalàna no enti-manohitra sy manarina izay lazaina ho tsy fanarahan-dalàna. Ho tonga hatraiza? Tsy vitan’ny fitakiana fahamarinan’ny voka-pifidianana sy fiarovana ny safidim-bahoaka fotsiny no ketrehin’ny sasany amin’izany, fa efa tena zavatra hafa: miseho ho sarotiny amin’ny fanajana sy fampiharan-dalàna, nefa tsy tan-dalàna amin’ny fikotrehana hetsika amin’izany. Izany moa no inona, rey olona? Tsy tan-dalàna fotsiny izao… Ilana fahamailoana fa mety hitondra any amin’ny gaboraraka na jadona tanteraka raha sanatria mahazo fahefana?

R. Nd.

Partager sur: