Nanakoako nanerana an’i Afrika indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’i Madagasikara. Norombahin’ny Malagasy ny amboara maha tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja Padel.
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2024, amin’ny taranja Padel (Africa Padel cup of Nation) i Madagasikara. Fifaninanana nokarakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina Padel (CAP), notanterahina tao amin’ny kianja Nouakchott Mauritanie, nanomboka ny alakamisy lasa teo ka hatramin’ny omaly 9 jona 2024.
Resin’i Madagasikara teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 0, i Mauritanie mpampiantrano. Anisan’ireo nandrafitra ny ekipa malagasy i Miary Zo, i Nantenaina, i Stephane, i Landry, niampy an’i Marin Fontaine sy i Gary Ah-Waye ary i Corentin Haener.
Nisongadina ny ekipa malagasy, nandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2024 ity, satria tsy nisy nandresy mihitsy nanomboka hatrany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana.
Tsiahivina fa tsy nisy afa-tsy firenena telo ihany no niatrika ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2024 ity dia i Mauritanie sy i Burundi ary i Madagasikara. Tsy nisy fizaram-bondrona, araka izany, ny fifaninanana fa natao fihaonana telozoro, izany hoe, mihaona avokoa ireo ekipa 3 ireo ka miatrika ny famaranana izay ekipa roa voalohany manana isa be indrindra. Taorian’ny fifanintsanana, voalohany i Madagasikara nahazo fandresena roa. Nandavo an’i Mauritanie, tamin’ny seta 2 no ho 0 teo amin’ny andro vaolohany, ny zoma lasa teo ary nanilika an’i Burundi, 2 no ho 0, ihany koa ny sabotsy. Faharoa i Mauritanie nahazo fandresena iray ary fahatelo i Burundi resy indroa.
Ity izany ny anaram-boninahitra voalohany azon’ny Malagasy, eo amin’ity taranja azo lazaina fa zandriny indrindra eto Madagasikara ity. Tsiahivina fa nitana ny laharana fahefatra i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natao tany Egypte, ny taona 2022.
Tompondaka