Norombahin’ny AS Ste Anne Bongatsara, ny anarana maha tompondakan’ny ligin’ Analamanga D1, taranja baolina kitra. Resiny tamin’ny isa, 2 no ho 0 teo amin’ny famaranana ny Toulon Academy. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny alahady lasa teo. Baolina matin’i Baba, minitra faha-35 sy ny an’i Anico (90 mn + 3).
Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra i Gauche, raha i Tody ny mpiandry tsatoby ary i Salohy (Bota), ny mpanazatra. Izy telo mirahalahy ireo izay samy avy amin’ny AS Ste Anne avokoa. Hisolo tena ny ligin’Analamanga eo amin’ny fifaninanam-pirenena D2 Nationale, amin’ity taom-pilalaovana ity izany ity ekipan’i Bongatsara ity. Nambaran-dRandrianarison Emile, fa nody ventiny ny rano nantsakaina satria azo ny amboara raha resy teo amin’ny famaranana, tamin’ny taon-dasa. Tanjona manaraka ny ho tafiditra ao anaty Pureplay football league (PFL), amin’ny taona ho avy. Vonona hiatrika ny fifaninanam-pirenena, saingy hanatevina mpilalao iray na roa, hiatrehana izany. Tsiahivina fa ekipam-piangonana niforona tamin’ny taona 2019 ny Ste Anne ary nandrombaka ny Atsimondrano Champion’s League avy eo niditra tao amin’ ny ligin’Analamanga. “Fahavononana ny fanalahidin’ny fahombiazana tamin’ity. Tsy hiandry ela fa avy hatrany dia mitohy ny kotrana hiatrehina ny D2 Nationale”, hoy i Bota, mpanazatra.
Tompondaka