Paule Sophie : nivoaka ny boky « Nos âmes éternelles »

Ny namoizany ny rainy nindaosin’ny fahafatesana… Niteraka ratram-po lehibe sy fahabangan-toerana goavana teo amin’ny fiainany no nampikorisa ny penin’i Paule Sophie ka niafara tamin’ny famoahany ny boky.Nivoaka ny boky «Nos âmes éternelles». Asongadin’i Paules Sophie ao ana­tiny ny fiasan’ny herin’Andriamanitra manoloana ny olana amin’ny endrika sakana heverin’ny olombelona fa goavana sy tsy ho voadingana. Mizara fampaherezana ihany koa, ho an’ireo mpiara-belona tojo sakana na misedra fisarahana aman-tany noho ny fahafatesana, i Paule Sophie.
Nanosika azy nanoratra ny boky «Nos âmes éternelles», rahateo, ny ahafahany mizara fa «tokony hanana fomba fijery miabo hatrany ny olombelona manoloana ny fiatrehana ny fiainana na eo aza ireo hovitra mitondra angovo miiba. Azo hakana lesona ho amin’ny fahatsarana sy ny fanatsarana ny fiainana ny tranga heverina ho ratsy», hoy izy.
Nambarany sady asongadin’ny vontoatin’ny boky fa «fanomezana lehibe sy sarobidy eo amin’ny fiainana ny nahavitana nandingana ireo sakana maro miaraka amin’ny finoana an’Andriamanitra».

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: