Ady amin’ny Covid-19 : 9,11% ny Malagasy feno taona no nahafeno ny daozim-baksiny

Ny fanaovam-baksiny feno tsara no miaro tanteraka amin’ny aretina. Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19, mbola vitsy ireo nahafeno daozy ka voaaro tanteraka.

“Nanomboka ny voalohan’ny volana mey 2021 hatramin’ny 3 jona 2024, nahatratra 3 255 400 daozy ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 nampiasana tamin’ireo karazany 5 nisy teto Madagasikara”, hoy ny talen’ ny sampandraharaha momba ny vaksiny, Tsivahiny Paubert.
Olona 2 725 202 no nahavita ny daozy feno ary voaaro tanteraka amin’ny aretina.
Tanjona napetraka anefa ny hanao vaksiny olona miisa 15 106 913 manerana ny Nosy. 50,5% ny vahoaka malagasy no mihoatra ny 18 taona ka tokony hisitraka vaksiny miaro amin’ny Covid-19 avokoa. Misy olona 12 381 711 izany tokony hotratrarina atao vaksiny Covid-19 manomboka izao.
Noho ny tahotra sy ny fisalasalana teny anivon’ny fiarahamonina anefa dia ny 10,8% ny Malagasy mihoatra ny 18 taona ihany no nanao vaksiny. Ny 9,11% amin’ireo no tena nahafeno ny daozy araka ny tokony ho izy ka voaaro tanteraka amin’ny aretina Covid-19.
Ny vaksiny Janssen no tena be mpisafidy satria efa nahatratra 2 511 068 daozy no nampiasaina. Anisan’ny mampisalasala ny olona kosa ny vaksiny Sinopharm vokatry ny resabe niparitaka teny amin’ ny tambajotra sosialy. Miisa 1 282 monja ireo nisitraka ity Sinopharm ity. Ho an’ny Fizer kosa dia 47 644 ny olona efa nampiasana azy. 165 208 ireo vita vaksiny ampy daozy tsara tamin’ny Astrazeneca. 224 156 no vita vaksiny Covishield.
Maimaimpoana avokoa ny tolotra vaksiny miaro amin’ny Covid-19 eny amin’ny tobim-pahasalamana. Ilaina ny miaro tena mba tsy ho tonga amin’ny tranga fahasarotana ny aretina. Mampalefaka ny fitrangan’ny aretina ny fahavitana vaksiny ka tsy tokony hampisalasala ny fanaovana ireny, raha ny fanentanan’ny dokotera.

Tatiana A

Partager sur: