Tetikasa MCGL : hanampy ny tolotra ara-pahasalamana

Nosokafana tamin’ny fom­­ba ofisialy ny, 13 desambra teo ny tetikasa Momentum Country and Global Leader­ship (MCGL), niarahana tamin’ny USAID. Tetikasa hampitombo ny vokatra ara-pahasalamana any amin’ny faritra 15 eto amin’ny firenena izy io.
“Hanampy ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavola politika hanatsarana ny fandaharanasan’ny fanjakana momba ny fahasalamam-bahoaka eto Mada­ga­sikara ny MCGL”, hoy ny Tale lefitry ny biraon’ny fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara, Dr. Razafindrafito Haja.
Hanakaiky kokoa ireo mponina izay mila fitsaboana nefa lavitra tobim-pahasalamana ny tetikasa. Hampi­he­nana ny taham-pahafatesan’ny zaza sy ny reny, hiady amin’ny Covid19 sy hampitombo ny isan’ny olona vita vaksiny, ary hampihena ireo karazan’aretina izay mety hahafaty ny zaza nefa azo sorohina.
Hampiditra fanavaozana toy ny “Human Centered De­sign” ny tetikasa. Fomba iray hanampiana ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana hihevitra ny fotoana sy ny toerana itadiavan’ny olona tolotra ara-pahasalamana sy ny fom­ba hanatonana ankizy bebe kokoa amin’ny fanaovana vak­­siny efa mahazatra.

Nanomboka ny taona 2020, nihena ny tahan’ny fanaovam-baksiny mahazatra ho an’ny ankizy eto Mada­gasikara. Anton’izany ny tsy fahampian’ny fahazoana fitsaboana any ambanivohitra.

Tatiana A

Partager sur: