Tenisy – Billie Jean King Cup: resin’ny Akomba de Madagascar i Kenya

Fandresena voalohany azon’ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, taranja tenisy ho an’ny sokajy vehivavy. Lavon’izy ireo, tamin’isa 3 no ho 0 i Kenya teo amin’ny andro fahatelo.

Farany vao nisy ventiny. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 0 nanoloana an’i Kenya ny Akomba vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, taranja tenisy ho an’ny sokajy fahatelo aty Afrika. Fihaonana tanterahina any Nairobi Kenya, ary tafiditra amin’ny andro fahatelo sady farany amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “A”.
Teo amin’ny fihaonana voalohany, lavon’i Miotisoa tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1), i Leandre Nabia Louw. Tsy niady ny lalao fa toy ny nanaovan’i Miotisoa fanazarantena fotsiny ity mpifanandrina aminy ity. Ho an’ny lalao faharoa, tsy nahatohitra an’i Tsantaniony Iariniaina ihany koa i Megan Lombardt . La­von’i Tsanta tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/0 ; 6/0). Niavaka tamin’ity lalao ity, ny fahaizan’i Tsanta. Tsy nomeny mihitsy na lalao iray aza, i Megan. Nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny fahaizana mamezivezy baolina i Tsanta ka tsy naharaka i Megan.
Niatrika ny lalao ho an’olon-droa indray i Miotisoa sy i Elisoa ka nifandona tamin’i Megan sy i Louw. Tsy namelan’ireto Malagasy mpilalao ireto raha tsy niondrika teo anatrehan’ireo kenyanina ireo. Re­siny tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/0). Tsy nataon’izy mirahavavy nisotro rano mihitsy mandra-pahatapitry ny fihaonana.
Faharesena 2 nanoloana an’i Zimbabwe sy i Afrika Atsi­mo ary fandresena iray tamin’i Kenya, izany ny azon’ny Akomba. Vokatra mametraka azy ireo, eo amin’ny laharana fahatelo, ao amin’ity vondrona “A”, misy azy ity. Tsy mbola tapitra fa mbola hiady laharana ny Akomba, ka ny tanjona dia ny hijanonana, ao anatin’ity sokajy fahatelo ity.

Tompondaka

Partager sur: