“Festival Tsika Jiaby”: hisy koa eto Madagasikara amin’ny 2025 !

Voavaly avokoa, omaly, ireo fanontaniana nanitikitika rehetra mikasika ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” natao tany Paris farany teo. Niampy vaovao mahafaly ho an’ny tontolon’ny mozika malagasy aza!

Ny 6 hatramin’ny 8 jona 2025 ny andiany faharoa amin’ny “Festival Antsika Jiaby”, hatao any Fran­tsa. Tsy misy fiovana io ary anatin’ny fotoanan’ny fetin’ny Pentekoty ihany. Tonga eto Madagasikara mihitsy, ary nihaona tamin’ireo mpanao gazety sy ireo mpanakanto, Rakotoseheno Mamy, tom­ponandraikitra voalohany ao amin’ny Mam’s Event, tetsy amin’ny Môtel Anosy.
Ny vaovao lehibe faharoa, hisy koa ny andiany voalohany amin’ny “Festival Tsika Jiaby” hatao eto Madagasikara amin’ io taona ho avy io ihany. Tsy mbola voafaritra ny daty sy ny toerana, fa anatin’ny fanombohana ny fikarakarana kosa izy ireo.
Inona tokoa no nahatonga ilay finiavana hanatanteraka ny “Festival Tsika Jiaby”? “An­dao hasongadina ny talenta malagasy. Be ny manan-talenta fa tsy manana fahafahana ivelarana eto sy any ivelany. An­dao ampiroboroboina io talenta io, amin’ny alalan’ny “festival” sy ny “plateforme” hivarotana ny sanganasany”, hoy ny navalin’i Mam’s. Mahakasika ny fisafidianana ireo mpanakanto nandray anjara sy mbola handray anjara amin’ny an­diany manaraka kosa, nambaran’ny mpikarakara fa misy so­kajy telo tao: ireo efa malaza be, ireo antonontonony ary ireo vao misandratra”. Misy ny mila atosika ary misy no efa afaka manoro hevitra: izay fampiraisana ny mpanakanto izay ilay “Tsika Jiaby”. Mila miray vao tafavoaka ka andao hiray hina, hiaraka hiasa ha­nova zavatra”, hoy hatrany ny valin-teny niharo fanentanana nataon’ity mpikarakara ity.
Ny “Moozik”, izay sehatra hivarotana hira ana habaka noforonina Malagasy ho an’ny mozika malagasy, no mifanome tanana amin’ny “Festival Tsika Jiaby”. Samy manana fijery lavitra, hisongadinan’ny mo­zika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny roa tonta.
Mpanakanto maro, mivoy karazana mozika maro no tonga nanatrika ny fihaonana. Azo antoka fa tsy izy rehetra ireo akory no handray anjara amin’ny andiany manaraka, na ny eto na ny any ivelany. Misy ireo fepetra izay an’ny mpikarakara manokana, hifantenana ireo mpanakanto. Raha ny andiany voalohany, tarika 30 no nifandimby an-tsehatra nandritra ny 3 andro. Mampa­nantena ny hanatsara sy haka lesona tamin’ny lesoka ny mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: