“hampitempo ny fontsika”: mpanakanto maro no mivoy ny hafatra…

Andro vitsivitsy izay no niparitaka anaty tambajotran-tsera­sera ireo “videos” nataona mpanakanto malaza maromaro. “Tsy ho ela, hampitempo ny fontsika”, io avokoa ny hafatra nampitaina. Mpanakanto malaza maro no nizara izany, toa an-dry Shyn, Denise, Tence Mena, Oladad, Tsota, Farakely, Jazz MMC, sns. Nanampy azy ireo olo-malazan’ny tambajotra toa an-dry Willy Nay, Kevin & Co, Jannia Blast’in, Alvin le Comédien, Dobias, sns.
Inona marina ny tena ambadiky ny hafatra? “Festival” goavana? Sa dokambarotra vokatra miavaka iray ? Hatreto, tsy misy tena nahazoam-baliny mazava ireo mpanakanto. « Manambara ny fiovana goavana eo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy io », hoy ny ampahan-dresaka tamin’ny tarika Oladad. Ireto farany izay ambasadaoron’ny Telma misolo tena ny mpanakanto avy any Fianarantsoa, ka heverina fa misy hifandraisany izany. Ny fantatra ihany koa dia miandry ny andron’ny 21 jona, fetin’ny mozika, vao ho vaky bantsilana ny ambadik’io hafatra io…

Zo ny Aina

Partager sur: