Distrikan’Ambatofinandrahana : nitory ny kandidà Razanamahasoa

“Fomba roa no entinay ma­nao fitoriana manoloana ny fifidianana tahaka izao”, hoy ny avy amin’ny mpanohana ny kan­­didà depiote Razanamaha­soa Christine ao amin’ny dis­trikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania, Ratolo­ja­nahary Maharavo, tamin’ny mpanao gazety, afakomaly, ny amin’ny fahitan-dry zareo fandikan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo. Voalohany amin’izay fitoriana izay ny momba ny fizotran’ny fifidianana iray manontolo. Manao fangatahana ny hanafoanana ny vato azon’ny kandidà mpifaninana iray ao Ambatofinandrahana noho ny fandikan-dalàna maromaro ry zareo amin’izany. Misy koa ny fitoriana fanoherana ny voka-pifidianana: voka-pifidianana misy hosoka, misy biletà tokana efa voamarika mialoha… Ankoatra izany, voalazan’ny And. 60 ao amin’ny lalàm-pifidianana ny fandrarana ny mpiasam-panjakana manam-pahefana tsy hanao fampielezan-kevitra. Nefa hita tany Am­batofinandrahana izay olom-panjakana manao fampielezan-kevitra izay mivantana na an­kolaka, araka ny fanazavany.

R. Nd.

Partager sur: