« Fête de la Musique» : hiavaka ny amin’ity taona ity

Tanterahina ny 21 sy 22 jona 2024, eny amin’ny Alliance Fran­çaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba sy eny amin’ny kaominina Ivato Seranana, ny « Fête de la Musique 2024 ». Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny mozika izy ity, karakarain’ny avy eo anivon’ny Alliance Française, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Raha ho an’ny isan-taona , mozika maroloko sy mpiangaly mozika maro samihafa no mandray anjara amin’ ny hetsika. Ho an’ity andiany ity kosa, hiavaka sy hafinaritra kokoa ny hetsika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Anisan’ny ahafantarana ny volana jona ihany koa ny mozika. Manamarika izany isan-taona ny eny anivon’ny Alliance Fran­çaise. Hetsika maro no handravaka izany, mandritra ny roa andro. Anisan’izany ny seho ara-javakanto isan-karazany, atrikasa mahakasika ny mozika sy momba ny dihy nentin-drazana. Misy ihany koa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra natao hanomezana sehatra ireo mpanakanto vao misondrotra. Diabe eny amin’ ny kaominina Ivato Seranana kosa no hanokafana ny andron’ny 22 jona 2024. Manodidina ny 300 isa ireo handray anjara amin’ izany. Fampisehoana iarahana amin’i Mirado sy Stephanie ary Johane no entina hamaranana izany.

Lin

Partager sur: