Hiffim : «Mila fandinihana ny fananganana governemanta vaovao»

“Tsy maintsy hitsangana ny governemanta vaovao. Izay no tokony hananan’ny filohan’ny Repoblika fandinihana tsara alohan’ny hanaovana an’izany. Satria ny fahatongavan-tsain’ny mpitondra sasantsasany sisa no antenaina amin’izao handehanantsika any amin’ny tena fampandrosoana ny firenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, momba ny fananganana governemanta vaovao. Maro ny olona manodidina ny filohan’ny Repoblika no milaza hoe: mandeha tsara izao, mety izao. Nefa hita amin’ny zava-mitranga fa tsy ho sodoka ny tena. Hita fa Antana­narivo no mitarika ny hevitra sy ny soso-kevitra ary ny fanapahan-kevitra. Izay vao manaraka ny renivohi-paritany hafa, vao ny distrika sy ny any ambanivohitra rehetra. “Tsy naharitra avokoa ny fanjakana niharan’izay”, hoy izy.
Mazava ho azy fa hita ny lalana alehan’ireo mahaleo tena tamin’ny fifidianana depiote teo. Izay no ilazana azy ireo ho mahaleo tenam-panjakana, satria vao niteny ny mpanohitra hoe ho eny Ambohimanambola tamin’ny fananganana ny KMSB, na­maly avy hatrany izy ireo fa tsy hanakorontana ary tsy hanaraka an’izany. Heveriny fa ananan’ny fitondram-panjakana ny maro anisa feno sy tanteraka amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Sarotra ihany ny hanantena hoe hisy fiovana tanteraka ny fitantanana ny firenena, raha tsy ny filohan’ny Repoblika no maka andraikitra sy mahatsapa hoe tsy izao ilay fampandrosoana.

R. Nd.

Partager sur: