Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ny depiote amperinasa, Masy Goulamaly, ireo olobe sy tangalamena any Tsihombe, araka ny fanambaran’izy ireo. Efa nitaky tahaka izany ny eo anivon’ny Amnesty International. Tsiahivina fa voarohirohy ho nampandoro biraon’ny Ceni any an-toerana ity depiote ity.
Anisan’ireo tonga nametraka ny fitoriana tetsy amin’ny HCC Ambohidahy koa i Rossy na ny depiote Rahasimanana Paul Bert, omaly. Nambarany tamin’izany fa tsy manaiky ary mitsipaka tanteraka ny kajikajy sy ny politika maloto tamin’ny fifidianana natao ny 29 mey teo ny tenany. Niara-dia taminy ireo solontenan’ny vahoaka.
Nikabary amin’ny fiteny malagasy ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, Isabelle Delattre, tany Toamasina, afakomaly. Nomarihina tany an-toerana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina ary nanentanany ny rehetra hiaro ny tontolo iainana, ny fikajiana ny fahadiovana ary koa ny hiarovana ireo biby…
Anisan’ny mpanakanto voafidy ho depiote Rabeharison Bernardin na i Din Rotsaka, raha ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni farany teo. Nahazo ny 52% raha 47% kosa ny an’ny mpifanandrina aminy.