Tanterahina nanomboka omaly, eny amin’ny Gymnase Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2023, taranja handball, Senior, lahy sy vavy. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana ranomasimbe Indianina CCOI, izay hatao eto Antananarivo, ny volana jolay ho avy izao, izay voahosotra ho tompondaka. Miisa folo ireo ekipa mandray anjara, ao amin’ny sokajy lehilahy, ka nozaraina vondrona roa izy ireo. Ao amin’ny “À”, no misy ny Asco Atsimo Andrefana, tompondakan’ny taona 2022, Cosfa II Analamanga, Hasin’i Toamasina Atsinanana, ASRB Boeny, Vasia Ihorombe. Vondrona” B” kosa, ny Cosfa I Analamanga, Saint Michel Itaosy (SMI) Analamanga, COSPN Boeny, Saint Michel Amparibe, ASSM Analamanga, Ascaf Analamanga. Ho an’ny vehivavy, natambatra sokajy iray ihany. Mifanintsana ao i Mysah Itasy, tompon’ny amboara farany, Sifaka Amoron’i Mania, THBC Analamanga, Ascaf Analamanga, TMI Ihorombe, HBCI Ihorombe. Ho an’ireo tovolahy, ireo efatra voalohany isam-bondrona no manao ny ampahefa-dalana, raha toa ka manao manasa-dalana avy hatrany kosa izay efatra manana isa tsara indrindra ao amin’ny tovovavy. Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Toamasina, ny volana oktobra ho avy io, ny fifaninanana nasionaly taona 2024.
Fitia Randria