Ambony, ambany! Mikorontana tanteraka ny rohimboky eto Madagasikara. Tsy tena mety voavaha izany, hany ka samy manao izay heveriny fa mety. Ny lalana rahateo toa manjavozavo manoloana ireo rehetra misehatra eo amin’ ity tontolo ity.
Voadingandingana ! Io no azo ilazana ny tranga miseho eo amin’ny tontolon’ny boky, eto Madagasikara, tao anatin’ny taona maro. Ny mpanoratra, tsy mijanona eo amin’ny fanakorisana ny peniny fa miditra hatrany amin’ny fanaovana sy fivarotana ny bokiny ka mahavatra mitety vazantany mihitsy. Boky tsy nandalo « dépôt légal » kanefa efa tazana eny am-pelatanan’ny mpamaky. Tsy ara-dalana? Voadingana ihany koa ny tranombokim-pirenena!
Mbola ireo mpanoratra ireo ihany no mitaraina fa kely loatra ny masontsivana apetraky ny editora ka miteraka sakana amin’ny fifanatonana eo amin’ny roa tonta. Ny famitana ny boky sy fikarohan-dalana ho fanapariahana izany anefa no anjara toerana lehibe tazonin’ny editora, saingy, zary manodinkodina ankihiben-tanana sisa no ataon’izy ireo, satria, nodinganin’ny mpanoratra.
Sakodiavatra ihany koa ny mpanonta boky rehefa mifampiraharaha amin’ny mpanoratra, satria, toa hilaza loza hatrany raha vao hiteny ny saran’ny fanontana boky iray. Tsy te hihaino io sora-bola io ny mpanoratra mba tsy ho kivy dieny ety am-panombohana ka aleony mikaroka “microédition” hanonta ny sanganasany. Voadingana ny mpanonta printy.
Mangasihasy ny mpanjifa
Amin’ny sarany tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny boky amidy eny amin’ny trano fivarotam-boky ka aleon’ny mpanjifa mandany fotoana mikaroka eny amin’ny boky tonta. Voadingana ihany koa ny trano fivarotam-boky ka tsy mahagaga raha valo tamin’izy ireo no nanakatom-baravarana tanteraka, raha ny teto an-dRenivohitra.
Samy voadingandingana avokoa ny rohim-boky rehetra, hany ka mikorontana tanteraka. Samy manao izay tsy haharendrika azy ny tsirairay (mpanoratra, editora, mpitsinjara, mpivarotra ary ny mpamaky boky), ka tsy voatazona araka ny tokony ho izy intsony io rohy io.
Manampy trotraka ihany koa ny fihazakazaky ny teknolojia, izay toa maneho endrika “fanivaivana” ny famakiam-boky eo imason’ny tanora. Sanatriavina, ho voadingan’ny fijerena internet sy ny serasera marolafy ihany koa ve ny famakiam-boky? Raha izay tokoa no hitranga, ho kamboty saina eto ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto