Tarika Sahondrafinina Zanany: maty Rakotolava mpitendry lokanga

Misaona ny tontolon’ny Hiragasy noho ny voina nahazo ny tarika Sahondrafinina Za­nany. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohi­mitarona, lalam-pirenena voalohany, mialoha ny idirana an’i Miarinarivo, ny tarika Sahon­drafinina Zanany. Afakomaly hariva izy ireo no niharan’izany loza izany, rehefa avy nanao sehatra tao andrefan’ Arivo­nimamo ka handeha hamonjy sehatra any Bon­golava. Maty, vokatr’izany, Rakotolava, mpitendry lokanga, ao amin’ny tarika. An­koatra izay, nisy ny naratra ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Olana teo amin’ny tsindrihisatra no nahatonga ny loza, araka ny nambaran’ny solontenan’ny tarika. Anisan’ ireo voamafy,hoy ny fanazavana, Rakotolava ka tsy maintsy nentina nankaty Antananarivo. Tsy tana intsony anefa ny ainy raha iny izy entina hamonjy ny HJRA iny.
Ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny tarika Sahondrafinina Zanany sy ny fianakavian-dRakotolava ary ny tontolon’ny hiragasy.

Lin

Partager sur: