“Angano sy Mozika”: endri-panabeazana manakaiky ny ankizy

Izay mora raisin’ny ankizy no mahomby indrindra. Tratra ny tanjona tamin’ny “Angano sy Mozika”, endri-panabeazana iray voizina mandritra ny “Kilonga milalao”, any Antsirabe.

Nambara hatramin’izay fa ny angano no endri-panabeazana nitaizan’ny Ntaolo ny ankizy. Teo ihany koa ny hira sy mozika, izay nifandovana nandritra ny vanim-potoana maro nifanesy. Koa naninona no tsy dia ampiasaina intsony amin’ny fanabeazana ny ankizy ireo? Mety ho ny valin’izay fanontaniana izay no nanosika an-dRajery sy ny ekipan’ ny Kilonga Milalao niketrika ny “Angano sy Mozika”.
Araka ny anarany, tetikasa nanambarana ny angano sy mozika hoenti-manabe sy mampita hafatra ho an’ireo ankizy izany. Ny fikajiana ny tontolo iainana no lohahevitra nosafidiana manokana hampitaina amin’ireo mpianatra. Notontosaina nanomboka ny alarobia 12 jona teo ka hifarana anio ny “Angano sy Mozika” ho an’ny any Antsirabe. Mpianatra maherin’ny 500 no niantefany, tamin’ireo sekoly efatra nolalovana: EPP Mandaniresaka, EPP Garbi, EPP Karmali ary ny Ivontoeram-pitaizana Enfants du Soleil.
“Efa aman-taonany maro no nanaovanay azy ity. Azo tsapain-tanana ny fahombiazana satria mandray tsara ireo ankizy”, hoy ny nambaran-dRajery. Nosafidiana manokana hampianoka ny angano i Beauzaka, izay sady mpanakanto mpihira sy mpamorona rahateo. Mety tsara amin’ny talentany somary be hatsikana ny mitana ny fifantohan’ny ankizy. Manaraka azy eo amin’ny mozika kosa ry Zo Christian, Jery Antonio ary Mbola Talenta.
Fa tsy ny “Angano sy ny mozika” ihany no ao anatin’ny hetsika “Kilonga Milalao”, hotontosaina rahampitso, manololana ny garan’Antsirabe, ny hazakazaka kalesy, tosika kodiarana, tongotra hazo, kabary ary ny kinarinarina ho an’ny ankizivavy. Hanomboka amin’ny 1 ora kosa ny fampisehoana hotontosain’ny Lovasoa Music School, Zaza Kanto, Normal Gospel ary ny Iz’Art Gospel.

Zo ny Aina

Partager sur: