Eglizy karismatika: miasa ho an’ny maha olona

“Miasa ho amin’ny maha olona manontolo ny Eglizy karismatika fiainam-baovao fa tsy mitory teny ho an’ny fanahy fotsiny ihany. Izany hoe, miasa ho amin’ny vatana sy saina ka antony nananganana ny sampan’asa fampandrosoana”, hoy ny mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Nanteriny fa hamelomana ny talentan’ny mpino tsirairay mba ho fanoitra hampivoatra ny fiainan’izy tompony aloha izany. Hiantraika eo amin’ny mpiara-mivavaka sy ny fiangonana ary ny firenena, araka ny nambarany. Tsiahivina fa nomarihina ny herinandro teo ny fijoroana ara-panjakana ho an’ny fikambanam-pivavahana “Église Charismatique Fiainam-baovao”. Natao teny Soanierana ny fiderana an’Andriamanitra sy nankalazana izany. Natolotra tamim-pomba ofisialy tamin’izany koa ireo mpikambana miisa valo eo anivon’ny filankevi-pitantanana, tarihin’ny mpitandrina. Namaky ny didy nahazoan’izy ireo alalana hijoro kosa ny ben’ny Tanàna lefitra eny amin’ny kaominina Tanjombato, misy ny foiben-toerana. Nanterin’ny mpitandrina fa tsy tokony handevin-talenta isika. “Aoka hampiroborobo izany ka hiteraka fihatsarana eo amin’ny maha olona”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: